Bokin'ny Deoteronomia 4:36
Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin’ ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan’ ny afo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 4
Cross References
Exodus 19:9Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin’ ny rahona maizina, mba ho ren’ ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran’ i Mosesy tamin’ i Jehovah ny tenin’ ny olona.
Exodus 19:19Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy.
Exodus 20:22Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Izao no lazaonao amin’ ny Zanak’ Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo.
Deuteronomy 4:12Dia niteny taminareo teo amin’ ny afo Jehovah; ny teny ihany no renareo, fa tsy nahita endrika akory ianareo.
Deuteronomy 4:33Moa efa nisy firenena nandre ny feon’ Andriamanitra niteny tao amin’ ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany?
Hebrews 12:18Fa ianareo tsy mby eo amin’ izay tendrombohitra azo tsapaina sady mirehitra afo, dia eo amin’ ny fahamaintisana sy ny aizina na sy ny tafio-drivotra