Bokin'ny Deoteronomia 4:46
tany an-dafin’ i Jordana, tao an-dohasaha tandrifin’ i Beti-peora, tao amin’ ny tanin’ i Sihona, ilay mpanjakan’ ny Amorita nonina tao Hesbona, dia ilay noresen’ i Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 4
Cross References
Numbers 21:23Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin’ ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin’ ny Isiraely teo izy.
Numbers 21:35Dia namely azy sy ny zananilahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy.
Deuteronomy 1:4rehefa namono an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, ilay nonina tao Hesbona, sy Oga, mpanjakan’ i Basana, ilay nonina tao Astarta tany Edrehy, izy.
Deuteronomy 2:30Fa Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, tsy nety namela antsika handeha hamaky ny taniny; fa Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy nampahaditra ny fanahiny, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin’ izao anio izao.
Deuteronomy 3:29Ka dia nitoetra tany an-dohasaha tandrifin’ i Beti-peora isika.
Deuteronomy 34:6Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin’ ny tany Moaba, tandrifin’ i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.