Bokin'ny Deoteronomia 5:11
Aza manonona foana ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’ i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10nefa kosa mamindra fo amin’ ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
12Mitandrema ny andro Sabata hanamasima azy, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 5
Cross References
Exodus 20:7Aza manonona foana ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’ i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
Deuteronomy 6:13Matahora an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao.
Jeremiah 4:2Fa hianiana amin’ ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia Izy no holazain’ ny firenena ho fahasambarany, ary Izy no ho reharehany.
James 5:12Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ ny lanitra, na amin’ ny tany, na amin’ izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho “Eny”, ary ny fandànareo ho “Tsia”, fandrao hiharan’ ny fitsarana ianareo.