Bokin'ny Deoteronomia 5:2
Jehovah Andriamanitsika nanao fanekena tamintsika tany Horeba;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The LORD our God made a covenant with us in Horeb.
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 5
Cross References
Exodus 19:5Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
Exodus 34:10Ary hoy Izy: Indro, manao fanekena Aho, ka eo anatrehan’ ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin’ ny tany rehetra sy tany amin’ ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan’ i Jehovah, fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin’ ny fiombako anao.
Deuteronomy 4:13Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin’ ny vato fisaka roa ireo.
2 Kings 17:35Sady nanaovany fanekena sy nodidiany hoe: Aza matahotra izay andriamani-kafa, na miankohoka eo anatrehany, na manompo azy, na namono zavatra hatao fanaritra ho azy;
Jeremiah 34:13Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho efa nanao fanekena tamin’ ny razanareo tamin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta hiala tamin’ ny trano nahandevozana nanao hoe:
Hebrews 9:19Fa rehefa voalazan’ i Mosesy tamin’ ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak’ omby sy ny ran’ osilahy mbamin’ ny rano sy ny volon’ ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin’ ny boky sy ny vahoaka rehetra;