Bokin'ny Deoteronomia 5:9
Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’ izay mankahala Ahy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10nefa kosa mamindra fo amin’ ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 5
Cross References
Exodus 34:7mitahiry famindram-po ho an’ ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka sy ny zafy hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika.
Numbers 14:18Mahari-po Jehovah sady be famindram-po, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika.
Deuteronomy 7:10ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin’ ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin’ izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary.
Daniel 9:4Ary nivavaka tamin’ i Jehovah Andriamanitro aho ka nitsotra hoe: Indrisy! Tompo ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena sy ny famindram-po ho amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
Romans 11:28Raha ny amin’ ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin’ ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin’ ny razana.