Bokin'ny Deoteronomia 6:13
Matahora an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Thou shalt fear the LORD thy God, and serve him, and shalt swear by his name.
In Context
14Aza manaraka izay andriamani-kafa amin’ ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo,
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 6
Cross References
Exodus 23:25Fa manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.
Deuteronomy 5:29Koa tandremo mba hanao araka izay efa nandidian’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia;
Deuteronomy 10:12Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain’ i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,
Deuteronomy 13:4dia aza mihaino ny tenin’ izany mpaminany na mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo Jehovah Andriamanitrareo, hahalalany na miorina amin’ ny fitiavana an’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra ianareo.
Joshua 2:12Koa ankehitriny, masìna ianareo, mba ianiano amin’ i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ ny ankohonan’ ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho
Joshua 24:14Koa ankehitriny, matahora an’ i Jehovah, ka manompoa Azy amin’ ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an’ i Jehovah.