Bokin'ny Deoteronomia 6:22
Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin’ ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 6
Cross References
Exodus 3:20Dia haninjitra ny tanako Aho ka hamely an’ i Egypta amin’ ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy; ary rehefa afaka izany, dia vao handefa anareo izy.
Exodus 10:2ary mba holazainao ho ren’ ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Deuteronomy 1:30Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo,
Deuteronomy 4:3Ny masonareo efa nahita izay nataon’ i Jehovah noho ny tamin’ i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an’ i Bala-peora dia naringan’ i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.
Deuteronomy 7:19dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan’ ny masonao, sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny tanana mahery ary ny sandry nahinjitra, izay nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka; fa toy izany no hataon’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny firenena rehetra izay atahoranao.
Psalms 91:8Hijery maso fotsiny ianao, Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.