Bokin'ny Deoteronomia 6:7
Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 6
Cross References
Genesis 18:19Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman’ ireo ny lalàn’ i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran’ i Jehovah amin’ i Abrahama izay efa nolazainy taminy.
Exodus 13:14Ary raha hanontany anao ny zanakao amin’ ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton’ izao? dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana;
Deuteronomy 4:10dia izay hitanao tamin’ ny andro izay nitsangananao teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko hoe: Angony etỳ amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra Ahy amin’ ny andro rehetra hiainany ambonin’ ny tany sady hampianariny ny zanany koa.
Deuteronomy 11:19ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha an-dalana, na mandry, na mifoha;
Ruth 2:12Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin’ ny elany ianao.
Job 8:10Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?