Bokin'ny Deoteronomia 7:13
dia ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’ osinao any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ ny razanao homena anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 7
Cross References
Deuteronomy 1:8Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo, Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy.
Deuteronomy 28:1Raha mihaino tsara ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr’ i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin’ ny firenena rehetra amin’ ny tany ianao;
Deuteronomy 28:4Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’ osinao.
Deuteronomy 28:15Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
Job 1:10Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ ny tànany ka manenika ny tany ny omby aman’ ondriny.
Psalms 1:3Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ ny rano velona izy, izay mamoa amin’ ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.