Bokin'ny Deoteronomia 7:18
dia aza matahotra azy ianao; fa tsarovy tsara izay nataon’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ i Farao sy ny Egyptiana rehetra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 7
Cross References
Exodus 7:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro, efa nataoko andriamanitra ho an’ i Farao ianao; ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.
Numbers 21:34Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona.
Deuteronomy 1:29Dia hoy izaho taminareo: Aza manahy, any aza matahotra azy;
Deuteronomy 3:6Dia naringantsika ireny tahaka izay efa nataontsika tamin’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona; naringana ny mponina rehetra tamin’ ny isan-tanàna mbamin’ ny zaza amim-behivavy.
Deuteronomy 31:6Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
Judges 6:13Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin’ izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain’ ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-tànan’ ny Midiana.