Bokin'ny Deoteronomia 7:26
Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 7
Cross References
Deuteronomy 13:17Ary ny entana nobaboina rehetra eo dia angòny eo afovoan’ ny kianja, ka doroy amin’ ny afo avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra ao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.
Joshua 6:17Dia hatolotra ho an’ i Jehovah ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra ao aminy ao an-trano, satria nanafina ny iratsika izy.
Joshua 7:1Fa ny Zanak’ Isiraely nandika ny didy ny amin’ ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak’ i Karmy, zanak’ i Zabdy, zanak’ i Zera, avy tamin’ ny firenen’ i Joda, naka tamin’ ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin’ ny Zanak’ Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah.
Isaiah 30:22Ary holotoinao ny takela-bolafotsy voapetaka amin’ ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin’ ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy.
Ezekiel 11:18Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-dratsiny rehetra sy ny fahavetavetany rehetra.
Hosea 14:8Izay mipetraka ao ambanin’ ny alokalony dia hampahavokatra vary indray, ary haniry tahaka ny voaloboka izy; Ny lazany ho tahaka ny an’ ny divay avy any Libanona.