Bokin'ny Deoteronomia 8:18
fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny, izay nianianany tamin’ ny razanao, tahaka ny amin’ izao anio izao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 8
Cross References
Genesis 32:14Dia nitoetra teo izy tamin’ iny alina iny; ary naka tamin’ izay teo an-tànany izy mba hampanaterina ho an’ i Esao rahalahiny,
Deuteronomy 7:8fa ny nitiavan’ i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin’ ny razanareo no nitondran’ i Jehovah anareo tamin’ ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin’ ny trano nahandevozana dia tamin’ ny tànan’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta.
Deuteronomy 8:1Ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio dia tandremo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hihamaro ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo homena azy.
1 Chronicles 29:12Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin’ izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao.
Psalms 144:1Nataon’ i Davida. Isaorana anie Jehovah Vatolampiko, Izay mampianatra ny tanako hamely Sy ny rantsan-tanako hiady,
Ecclesiastes 12:1Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe; Tsy sitrako izao;