Bokin'ny Deoteronomia 8:8
tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongabendanitra, tany misy hazo oliva sy tantely,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 8
Cross References
Numbers 13:23Dia nankany amin’ ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin’ ny hazo izany; ary ny ampongabendanitra sy ny aviavy dia nitondrany koa.
Deuteronomy 32:14Sy rononomandrin’ omby sy rononon’ ondry aman’ osy Mbamin’ ny tavin’ ny zanak’ ondry Sy ondrilahin’ i Basana sy osilahy Ary vary izay vokatra indrindra; Ary nisotro divay mahery avy tamin’ ny ran’ ny voaloboka ianao.
1 Kings 5:11Fa hendry noho ny olona rehetra izy; eny, hendry mihoatra noho Etana Ezrahita sy Hemana sy Kalkola sy Darda, zanak’ i Mahola, aza izy ary ny lazany efa niely tamin’ ny firenena rehetra manodidina.
2 Chronicles 2:10Ary hoy Hirama, mpanjakan’ i Tyro, tamin’ ny taratasy izay nampanateriny ho any amin’ i Solomona: Noho ny fitiavan’ i Jehovah ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.
Psalms 147:14Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.
Jeremiah 2:7Ary nitondra anareo niditra ho any amin’ ny tany mahavokatra Aho, mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, sady novetavetainareo ny lovako.