Bokin'ny Deoteronomia 9:26
Dia nifona tamin’ i Jehovah aho ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, aza mandringana ny firenenao sy ny lovanao, izay navotanao tamin’ ny fahalehibiazanao ka nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny tananao mahery.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 9
Cross References
Exodus 15:13Tarihinao amin’ ny famindram-ponao ny firenena izay navotanao, ka entinao amin’ ny herinao ho any amin’ ny fonenanao masìna izy.
Exodus 34:9dia hoy izy: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay.
Deuteronomy 7:8fa ny nitiavan’ i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin’ ny razanareo no nitondran’ i Jehovah anareo tamin’ ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin’ ny trano nahandevozana dia tamin’ ny tànan’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta.
Deuteronomy 9:29Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin’ ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.
Deuteronomy 15:15Ary tsarovy fa andevo tany amin’ ny tany Egypta ianao, nefa Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao, koa izany no andidiako anao izao zavatra izao anio.
Deuteronomy 26:7Dia nitaraina tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika;