Bokin'ny Deoteronomia 9:4
Ary rehefa voaroak’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy, dia aza manao anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran’ i Jehovah ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin’ ireo firenena ireo no androahan’ i Jehovah azy eo anoloanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 9
Cross References
Leviticus 18:24Aza mandoto ny tenanareo amin’ izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan’ ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.
Deuteronomy 8:17ary andrao ianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin’ ny tanako no nahavoriako izao harena izao;
Deuteronomy 12:31Aza manao toy izany amin’ i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan’ i Jehovah, no nataony tamin’ ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin’ ny afo ho an’ ny andriamaniny.
Deuteronomy 18:12Fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan’ i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao.
Ezekiel 36:32Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy Jehovah Tompo aoka ho fantatrareo izany; koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak’ Isiraely.
Romans 11:20Marina ihany izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora;