The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Deoteronomia › Bokin'ny Deoteronomia 9 › Bokin'ny Deoteronomia 9:6

Bokin'ny Deoteronomia 9:6

Koa aoka ho fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no anomezan’ i Jehovah Andriamanitrao izany tany soa izany ho lovanao; fa firenena mafy hatoka ianao.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Understand therefore, that the LORD thy God giveth thee not this good land to possess it for thy righteousness; for thou art a stiffnecked people.

In Context

5Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin’ ireo firenena ireo no androahan’ i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahatò ny teny izay nianianan’ i Jehovah tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.

7Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an’ i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin’ ny andro nialanao tany amin’ ny tany Egypta ka hatramin’ ny nahatongavanareo teto amin’ ity tany ity dia mbola niodina tamin’ i Jehovah ihany ianareo.

Read all of Bokin'ny Deoteronomia 9

Cross References

Exodus 32:9Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Efa hitako io firenena io, fa, indro, firenena mafy hatoka izy.

Exodus 34:9dia hoy izy: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay.

Deuteronomy 9:3Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy ianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain’ i Jehovah taminao.

Deuteronomy 9:24Eny, niodina tamin’ i Jehovah ihany ianareo hatramin’ ny andro nahalalako anareo no ho mankaty.

Deuteronomy 31:27Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin’ i Jehovah ianareo, ka mainka fa rehefa maty aho.

2 Chronicles 36:13Ary nikomy tamin’ i Nebokadnezara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin’ Andriamanitra koa izy; ary nanamafy ny hatony sy nanasarotra ny fony izy mba tsy hiverina ho amin’ Andriamanitry ny Isiraely.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Deoteronomia 9:6

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Deoteronomia 9:5Bokin'ny Deoteronomia 9Bokin'ny Deoteronomia 9:7 →