Bokin'ny Mpitoriteny 1:13
ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ ny lanitra; asa mahareraka omen’ Andriamanitra hisasaran’ ny zanak’ olombelona izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan’ ny Isiraely tany Jerosalema;
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 1
Cross References
Genesis 3:19Ny fahatsembohan’ ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray ianao.
Proverbs 2:2Ka atongilanao amin’ ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao;
Proverbs 18:1Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.
Proverbs 23:26Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako;
Ecclesiastes 1:17Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany,
Ecclesiastes 2:26Fa ny olona izay ankasitrahan’ Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan’ Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.