Bokin'ny Mpitoriteny 1:14
Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina.
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 1
Cross References
Psalms 39:5Jehovah ô, ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.
Ecclesiastes 2:11Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin’ ny masoandro.
Ecclesiastes 2:26Fa ny olona izay ankasitrahan’ Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan’ Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
Ecclesiastes 4:4Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin’ ny fifampialonan’ ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
Ecclesiastes 4:16Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
Ecclesiastes 12:8Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!