Bokin'ny Mpitoriteny 1:17
Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 1
Cross References
Psalms 73:16Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany.
Ecclesiastes 2:3Nisaina tato am-poko hamalifaly ny nofoko tamin’ ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin’ ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an’ ny zanak’ olombelona ka tokony hataony atỳ ambanin’ ny lanitra amin’ ny andro vitsy iainany.
Ecclesiastes 2:11Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin’ ny masoandro.
Ecclesiastes 3:19Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak’ olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby, mitovy ihany ny mihatra amin’ izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ ny iray no ahafatesan’ ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan’ izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra.
Ecclesiastes 6:9Ny fahitan’ ny maso dia mahafinaritra noho ny firenirenin’ ny faniriana. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
Ecclesiastes 7:25Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina;