Bokin'ny Mpitoriteny 10:1
Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ny fon’ ny hendry dia eo ankavanany; fa ny fon’ ny adala kosa dia eo ankaviany.
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 10
Cross References
Exodus 30:25dia amboary ho diloilo fanosorana masìna izany, ho zavatra aharoharo, asan’ ny mpangaroharo zava-manitra; ho diloilo fanosorana masìna izany.
2 Chronicles 19:2Ary nivoaka hitsena azy Jeho, zanak’ i Hanany mpahita, ka nanao tamin’ i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala an’ i Jehovah va no tokony ho tianao? Koa noho izany dia tezitra aminao Jehovah.
Nehemiah 13:26Tsy izany va no nanotan’ i Solomona, Mpanjakan’ i Isiraely? kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin’ ny firenena maro, fa tian’ Andriamaniny izy ka nataon’ Andriamanitra ho mpanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra; kanefa na dia izy aza dia, nampanotain’ ny vehivavy hafa firenena.
Haggai 2:12Raha misy mitondra hena masìna eny an-tsisin-dambany, ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo; na izay voahandro, na ny divay, na ny diloilo, na izay mety ho fihinana, moa ho tonga masìna koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Tsia.
Matthew 5:13Hianareo no fanasin’ ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin’ ny olona.