Bokin'ny Mpitoriteny 11:9
Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’ izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’ Andriamanitra hotsaraina ianao amin’ izany rehetra izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 11
Cross References
Genesis 6:2dia hitan’ ny zanak’ Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’ izy rehetra araka izay tiany izy.
Numbers 15:39Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin’ i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana,
Deuteronomy 29:19Ary Jehovah dia tsy hety hamela ny helony, fa hanetroka amin’ izany lehilahy izany ny fahatezeran’ i Jehovah sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin’ ity boky ity, ka hovonoin’ i Jehovah tsy ho eo ambanin’ ny lanitra ny anarany.
2 Samuel 11:2Ary nony harivariva, dia niala tao am-pandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon’ ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery.
1 Kings 18:27Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina.
Job 31:7Raha tàhiny nivily niala tamin’ ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin’ ny tanako: