The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Mpitoriteny › Bokin'ny Mpitoriteny 12 › Bokin'ny Mpitoriteny 12:13

Bokin'ny Mpitoriteny 12:13

Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ ny olona rehetra.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Let us hear the conclusion of the whole matter: Fear God, and keep his commandments: for this is the whole duty of man.

In Context

12ary he koa, anaka! minoa anatra ianao; fa tsy misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be.

14Fa ny atao rehetra dia ho entin’ Andriamanitra ho amin’ ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.

Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 12

Cross References

Genesis 22:12Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tananao amin’ ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao; fa hitako izao fa matahotra an’ Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.

Deuteronomy 4:10dia izay hitanao tamin’ ny andro izay nitsangananao teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko hoe: Angony etỳ amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra Ahy amin’ ny andro rehetra hiainany ambonin’ ny tany sady hampianariny ny zanany koa.

Deuteronomy 10:12Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain’ i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,

1 Kings 2:3Ary tandremo izay asain’ i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin’ ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalan’ i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,

Psalms 111:10Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan’ izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.

Psalms 145:19Hanefa ny irin’ izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Mpitoriteny 12:13

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Mpitoriteny 12:12Bokin'ny Mpitoriteny 12Bokin'ny Mpitoriteny 12:14 →