Bokin'ny Mpitoriteny 2:1
Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin’ ny hafaliana ianao, ka dia mifalia amin’ ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona?
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 2
Cross References
Genesis 11:7Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.
Psalms 10:6Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.
Psalms 27:8Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin’ ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô;
Ecclesiastes 1:16Hoy izaho tamin’ ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.
Ecclesiastes 2:15Dia hoy izaho anakampo: Mitovy amin’ ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy, koa nahoana ary no nanan-tombom-pahendrena aho? Dia hoy izaho anakampo: zava-poana koa izany.
Ecclesiastes 3:17Hoy izaho anakampo: Samy hotsarain’ Andriamanitra na ny marina na ny meloka; fa any dia samy manana ny androny avy ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.