Bokin'ny Mpitoriteny 2:10
Ary na inona na inona nirin’ ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin’ izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin’ ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin’ ny fisasarako rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 2
Cross References
Genesis 3:6Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy.
Judges 14:2Ary niakatra izy, dia nilaza tamin-drainy sy reniny hoe: Efa nahita vehivavy tany Timna avy amin’ ny zanakavavin’ ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny.
Psalms 119:37Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin’ ny lalanao aho.
Proverbs 23:5Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ ny lanitra.
Ecclesiastes 2:22Fa inona no azon’ ny olona amin’ ny fisasarany rehetra sy amin’ ny fikatsahan’ ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin’ ny masoandro?
Ecclesiastes 3:22Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian’ ny olona amin’ ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?