Bokin'ny Mpitoriteny 2:14
Ny mason’ ny hendry dia eo an-dohany; fa ny adala kosa mandeha amin’ ny maizina; nefa hitako fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 2
Cross References
Psalms 49:10Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin’ ny lavaka.
Proverbs 14:8Ny mitandrina ny alehany no fahendren’ ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan’ ny adala.
Ecclesiastes 3:19Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak’ olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby, mitovy ihany ny mihatra amin’ izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ ny iray no ahafatesan’ ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan’ izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra.
Ecclesiastes 6:8Fa inona no soa azon’ ny hendry noho ny adala? Inona no azon’ ny malahelo izay mahay mitondra tena eo imason’ ny velona?
Ecclesiastes 8:1Iza no toy ny hendry? Ary iza no mahalala izay anton-javatra? Ny fahendren’ ny olona mahamiramirana ny tarehiny, ary voaova ny fahadontoan’ ny endriny.
Ecclesiastes 9:2Mitovy avokoa ny manjo ny olombelona rehetra; eny, zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny meloka, ny tsara fanahy sy ny madio ary ny tsy madio, ny mamono zavatra hatao fanatitra sy ny tsy mamono zavatra hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin’ ny tsara fanahy sy ny amin’ ny mpanota, ary ny amin’ ny mianiana sy ny amin’ izay tsy sahy hianiana.