Bokin'ny Mpitoriteny 2:19
ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy no ho tompon’ izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin’ ny fahendreko tatỳ ambanin’ ny masoandro. Zava-poana koa izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 2
Cross References
1 Kings 12:14ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ ireo tovolahy hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa mainka hanampy ny zioga ho entinareo, kotopia no namazain’ ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
2 Chronicles 10:13Ary Rehoboama mpanjaka nanao teny mafy tamin’ ny olona, fa nandà ny hevitra nomen’ ireo zoki-olona azy
Ecclesiastes 2:11Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin’ ny masoandro.
Ecclesiastes 9:13Izao koa no fahendrena efa hitako tatỳ ambanin’ ny masoandro, ka dia nataoko ho lehibe izany:
James 1:17Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midìna avy amin’ ny Rain’ ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ ny fihodinana.