Bokin'ny Mpitoriteny 2:26
Fa ny olona izay ankasitrahan’ Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan’ Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
25(fa iza no mahalany, ary iza no mahazo manaram-po mihoatra noho izaho?).
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 2
Cross References
Genesis 7:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Noa: Midìra ao anatin’ ny sambo-fiara ianao mbamin’ ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’ izao olona miara-belona aminao izao.
Job 27:16Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,
Job 32:8Kanefa ny fanahy izay ao anatin’ ny zanak’ olombelona sy ny fofonoin’ ny Tsitoha no mahahendry azy.
Proverbs 3:13Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.
Proverbs 28:8Izay mampitombo ny fananany amin’ ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an’ izay miantra ny malahelo
Isaiah 3:10Lazaonareo ny amin’ ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny.