Bokin'ny Mpitoriteny 2:4
Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanim-boaloboka,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
I made me great works; I builded me houses; I planted me vineyards:
In Context
5nanao tanimboly sy saha aho ka namboly hazo fihinam-boa samy hafa karazana tao;
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 2
Cross References
Deuteronomy 8:12fandrao, rehefa nihinana ianao ka voky ary nanao trano tsara ka mitoetra ao,
1 Kings 7:1Ary telo ambin’ ny folo taona no nanaovan’ i Solomona ny lapany, dia vita.
1 Kings 10:19Nisy ambaratonga enina tamin’ ny seza fiandrianana; ary ny lohan’ ny seza fiandrianana, dia boribory ny eo an damosiny; ary nisy fitehenan-tanana teo an-daniny roa amin’ ny fipetrahana; ary nisy sarin-diona roa teo an-danin’ ny fitehenan-tanana.
1 Chronicles 27:27ary ny tonian’ ny tanim-boaloboka dia Simey Ramatita; ary ny tonian’ ny divay tehirizina any amin’ ny tanim-boaloboka dia Zebdy Sifmita;
2 Chronicles 8:6ary Baleta sy ny tanàna fitehirizana rehetra izay an’ i Solomona sy ny tanàna rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanàna fitoeran’ ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian’ i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ ny tany nanjakany rehetra.
2 Chronicles 26:10Ary nanao tilikambo tany an-efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano; fa izy nanana omby aman’ ondry betsaka teny an-tany lemaka sy teny an-tanety ary mpiasa koa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra sy teny Karmela koa; fa tia asa tany izy.