Bokin'ny Mpitoriteny 3:1
Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin’ ny lanitra:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
To every thing there is a season, and a time to every purpose under the heaven:
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 3
Cross References
2 Chronicles 33:12Ary nony azom-pahoriana mafy izy, vao nifona tamin’ i Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan’ Andriamanitry ny razany
Proverbs 24:27Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao.
Ecclesiastes 2:3Nisaina tato am-poko hamalifaly ny nofoko tamin’ ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin’ ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an’ ny zanak’ olombelona ka tokony hataony atỳ ambanin’ ny lanitra amin’ ny andro vitsy iainany.
Ecclesiastes 3:17Hoy izaho anakampo: Samy hotsarain’ Andriamanitra na ny marina na ny meloka; fa any dia samy manana ny androny avy ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.
Ecclesiastes 8:5Izay mitandrina ny didy tsy mba mikambana amin’ ny fanaovan-dratsy; ary ny fon’ ny hendry dia mahalala fotoana sy fitsarana;
Jeremiah 46:17Nitaraina tany izy hoe: Tabataba foana Farao, mpanjakan’ i Egypta, efa nandiso ny fotoana izy.