Bokin'ny Mpitoriteny 3:13
Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’ Andriamanitra izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 3
Cross References
Deuteronomy 28:30Hifofo vady ianao, fa olon-kafa no handry aminy; hanao trano ianao, fa tsy hitoetra ao; hanao tanim-boaloboka ianao, fa tsy hihinana ny vokatra.
Judges 6:3Ary rehefa namafy voa ny Isiraely, dia avy ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana ka niakatra hanafika azy.
Ecclesiastes 2:24Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin’ ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin’ ny tànan’ Andriamanitra
Ecclesiastes 6:2dia olona izay omen’ Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra, ka tsy misy tsy ananany na inona na inona iriny, nefa tsy omen’ Andriamanitra fahefana hihinana amin’ izany izy, fa olon-kafa no homana azy; zava-poana sy ratsy mahory koa izany.
Isaiah 65:21Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.