Bokin'ny Mpitoriteny 3:18
Hoy izaho anakampo: Noho ny amin’ ny zanak’ olombelona izany, mba hizahan’ Andriamanitra toetra azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 3
Cross References
Job 14:1Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
Job 40:8Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?
Psalms 49:14Izany no falehan’ ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny. [Sela.]
Psalms 51:4Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
Psalms 73:22Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby teo anatrehanao aho.
Romans 3:4Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin’ ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady.