Bokin'ny Mpitoriteny 3:2
Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana na nambolena;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
A time to be born, and a time to die; a time to plant, and a time to pluck up that which is planted;
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 3
Cross References
Genesis 17:21Nefa ny fanekeko haoriko amin’ Isaka, izay haterak’ i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao.
Genesis 47:29Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan’ Isiraely, dia nampaka an’ i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, ataovy ato ambanin’ ny feko ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna ianao aza alevina atỳ Egypta aho.
Numbers 27:12Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Miakara amin’ ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano ny tany izay omeko ny Zanak’ Isiraely.
Deuteronomy 34:5Ary Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, dia maty teo amin’ ny tany Moaba araka ny tenin’ i Jehovah.
1 Kings 13:2Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an’ ny taranak’ i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin’ ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan’ olona no hodorana eo amboninao.
Job 7:1Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak’ olombelona etỳ ambonin’ ny tany? Ary tsy tahaka ny andron’ ny mpikarama va ny androny?