Bokin'ny Mpitoriteny 4:14
fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin’ alahelo tamin’ ny fanjakany aza izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For out of prison he cometh to reign; whereas also he that is born in his kingdom becometh poor.
In Context
13Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony;
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 4
Cross References
Genesis 41:14Dia naniraka Farao ka nampaka an’ i Josefa, dia nalaina faingana niala tao an-davaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin’ i Farao.
Genesis 41:41Ary hoy indray Farao tamin’ i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho.
1 Samuel 2:8Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin’ ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin’ ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin’ ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an’ i Jehovah ny andrin’ ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao.
2 Kings 23:31Telo amby roa-polo taona Joahaza fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin’ i Jeremia, avy any Libna.
2 Kings 24:6Ary Joiakima lasa nodimandry any amin’ ny razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Kings 25:7Ary ny zanakalahin’ i Zedekia dia novonoiny teo imason-drainy, ary ny mason’ i Zedekia kosa nopotsiriny, dia nafatony tamin’ ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona.