Bokin'ny Mpitoriteny 4:8
Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin’ ny harena, hanaovany hoe: Ho an’ iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Ary izao koa no zava-poana hitako atỳ ambanin’ ny masoandro:
9Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 4
Cross References
Genesis 2:18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.
Psalms 39:6Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza. [Sela.]
Proverbs 27:20Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan’ ny mason’ ny olona.
Ecclesiastes 1:13ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ ny lanitra; asa mahareraka omen’ Andriamanitra hisasaran’ ny zanak’ olombelona izany.
Ecclesiastes 4:9Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.
Ecclesiastes 5:10Raha mitombo ny fananana, dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon’ ny tompony, afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany?