Bokin'ny Mpitoriteny 5:1
Aza haingam-bava, ary aza malaky manonona teny eo anatrehan’ Andriamanitra ny fonao; fa Andriamanitra dia any an-danitra ary ianao etỳ an-tany, koa aoka ho vitsy ny teninao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 5
Cross References
Genesis 4:3Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran’ i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an’ i Jehovah;
Exodus 3:5Ary hoy Izy: Aza manakaiky etỳ; esory ny kapanao amin’ ny tongotrao, fa tany masìna io ijanonanao io.
Joshua 5:15Dia hoy Ilay Komandin’ ny miaramilan’ i Jehovah tamin’ i Josoa: Esory amin’ ny tongotrao ny kapanao; fa masìna io tany ijanonanao io. Dia nataon’ i Josoa izany.
1 Samuel 15:21Nefa nangalan’ ny olona ondry aman’ osy sy omby ny babo, dia izay soa avy tamin’ ny zavatra haringana, mba hovonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ao Gilgala.
Job 11:2Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?
Psalms 50:8Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao.