Bokin'ny Mpitoriteny 5:13
sady levona izany harena izany noho ny loza manjo; ary miteraka zazalahy ralehilahy nefa tsy misy na inona na inona eny an-tànany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 5
Cross References
Genesis 13:5Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin’ i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay.
Genesis 19:14Dia nivoaka Lota ary niteny tamin’ ny vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao hoe: Miaingà, miala amin’ ity tanàna ity; fa horavan’ i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon’ ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy.
Genesis 19:31Ary hoy ny vavimatoa tamin’ ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin’ ny tany hanambady antsika araka ny fanaon’ ny tany rehetra;
Proverbs 1:19Toy izany no iafaran’ izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain’ izay fatra-pila azy izany.
Proverbs 11:4Ny harena dia tsy mahasoa amin’ ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ ny fahafatesana.
Proverbs 23:4Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin’ izany ny fahendrenao.