Bokin'ny Mpitoriteny 5:14
Toy ny nivoahany mitanjaka avy tany an-kibon-dreniny, dia toy izay nihaviany ihany no hiverenany; ary tsy hisy na inona na inona ho entin’ ny tànany ho valin’ ny fisasarany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But those riches perish by evil travail: and he begetteth a son, and there is nothing in his hand.
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 5
Cross References
1 Samuel 2:36Ary ho avy izay sisa rehetra amin’ ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan’ ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.
Job 1:21sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon’ ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’ i Jehovah
Job 20:15Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran’ Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
Psalms 39:6Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza. [Sela.]
Psalms 109:9Aoka ho kamboty ny zanany; Ary aoka ho mpitondratena ny vadiny
Ecclesiastes 2:26Fa ny olona izay ankasitrahan’ Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan’ Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.