Bokin'ny Mpitoriteny 5:6
Fa amin’ ny haben’ ny nofy dia misy zava-poana; ary toy izany koa ny haben’ ny teny, fa Andriamanitra no atahory.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 5
Cross References
Genesis 48:16ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin’ ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran’ i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin’ ny tany anie izy.
Leviticus 27:9Ary raha biby fiompy izay fanao fanatitra ho an’ i Jehovah, dia ho masìna ho an’ i Jehovah izay rehetra omena amin’ izany.
Proverbs 23:17Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an’ i Jehovah mandritra ny andro;
Ecclesiastes 5:1Aza haingam-bava, ary aza malaky manonona teny eo anatrehan’ Andriamanitra ny fonao; fa Andriamanitra dia any an-danitra ary ianao etỳ an-tany, koa aoka ho vitsy ny teninao.
Hosea 12:4Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin’ Andriamanitra;
Haggai 2:14Dia namaly Hagay nanao hoe: Tahaka izany eo anatrehako ireto olona ireto, ary tahaka izany ity firenena ity, hoy Jehovah; ary tahaka izany koa ny asan’ ny tànany rehetra; fa izay ateriny ao dia maloto.