Bokin'ny Mpitoriteny 6:10
Izay efa teo dia voalaza anarana hatry ny fony ela, ary fantatra fa ny olona dia tsy mahazo mifandahatra amin’ izay mahery noho izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Fa maro ny zavatra mahabe ny zava-poana, koa inona no soa azon’ ny olona?
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 6
Cross References
Genesis 3:17Ary hoy koa Izy tamin’ i Adama: Satria efa nihaino ny feon’ ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin’ ny andro rehetra hiainanao.
Job 9:32Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin’ ny fitsarana.
Job 33:13Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ ny ataony?
Psalms 39:6Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza. [Sela.]
Psalms 103:15Tahaka ny ahitra ny andron’ ny zanak’ olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
Ecclesiastes 1:10Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin’ ny andro talohantsika ihany izany.