Bokin'ny Mpitoriteny 7:12
Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ ny manana azy ny fahendrena.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an’ izay mahita masoandro izany.
13Saino ny asan’ Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka?
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 7
Cross References
Deuteronomy 32:47Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo; ary izany zavatra izany no hahamaro andro anareo eo amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo.
Job 1:10Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ ny tànany ka manenika ny tany ny omby aman’ ondriny.
Psalms 57:1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’ i Davida tamin’ ny nandosirany an’ i Saoly tao anaty zohy.
Proverbs 2:11Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana,
Proverbs 8:35Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin’ i Jehovah;
Proverbs 11:4Ny harena dia tsy mahasoa amin’ ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ ny fahafatesana.