Bokin'ny Mpitoriteny 7:13
Saino ny asan’ Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Consider the work of God: for who can make that straight, which he hath made crooked?
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 7
Cross References
Job 11:10Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?
Job 34:29Mangìna Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin’ ny firenena, na amin’ ny olona tsirairay,
Psalms 8:3Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.
Ecclesiastes 1:15Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina.
Isaiah 5:12Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; Fa ny asan’ i Jehovah tsy mba jereny, Ary ny ataon’ ny tanany tsy mba hitany.
Isaiah 43:13Eny, hatramin’ izary andro izany Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin’ ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany?