Bokin'ny Mpitoriteny 7:19
Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Wisdom strengtheneth the wise more than ten mighty men which are in the city.
In Context
20Fa tsy misy olona marina ambonin’ ny tany izay manao tsara ka tsy manota.
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 7
Cross References
2 Samuel 20:22Dia lasa nanatona ny olona rehetra tamin’ ny fahendreny ravehivavy. Dia notapahin’ ireo ny lohan’ i Seba, zanak’ i Bikry, ka natsipiny teny amin’ i Joaba. Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niala tamin’ ny tanàna ny olona samy ho any amin’ ny lainy avy. Ary Joaba niverina nankany Jerosalema ho any amin’ ny mpanjaka.
Proverbs 21:22Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany.
Ecclesiastes 9:13Izao koa no fahendrena efa hitako tatỳ ambanin’ ny masoandro, ka dia nataoko ho lehibe izany:
Ecclesiastes 9:16Koa hoy izaho: Aleo fahendrena toy izay hery; kanjo hamavoina ny fahendren’ ny malahelo, ary ny teniny tsy mba henoina.
Colossians 1:9Ary noho izany izahay koa hatramin’ ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin’ ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ ny Fanahy,