Bokin'ny Mpitoriteny 7:2
Tsara ny mankamin’ ny trano misy fisaonana noho ny mankamin’ ny trano misy fanasana; fa ho amin’ iny no hiafaran’ ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.
3Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara ihany ny fo.
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 7
Cross References
Genesis 49:2Miangòna, ka mandrenesa, ry zanakalahin’ i Jakoba, eny, mihainoa an’ Isiraely rainareo:
Numbers 23:10Iza no mahisa ny vovok’ i Jakoba, na ny isan’ ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan’ ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!
Deuteronomy 32:46dia hoy izy taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity.
Psalms 90:12Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.
Isaiah 5:11Lozan’ izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan’ ny andro ka ampirehetin’ ny divay!
Isaiah 47:7Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany.