Bokin'ny Mpitoriteny 7:26
ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan’ Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 7
Cross References
Genesis 39:9Tsy misy lehibe noho izaho raha amin’ ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin’ Andriamanitra?
Judges 16:19Ary ravehivavy nanondana an’ i Samsona hatory teo an-dohaliny, dia niantso lehilahy ka nanaratra ny foto-bolo fito amin’ ny lohany; dia vao izay no nampietry azy izy, satria niala taminy ny heriny.
Proverbs 2:18Fa ny tranony milentika ho amin’ ny fahafatesana, Ary ny alehany mankany amin’ ny maty.
Proverbs 5:3Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin’ ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;
Proverbs 7:21Tamin’ ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin’ ny fandroboan’ ny molony no nitaomany azy,
Proverbs 22:14Ny vavan’ ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon’ i Jehovah no ho latsaka ao.