Bokin'ny Mpitoriteny 7:6
Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin’ ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan’ ny adala; zava-poana koa izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For as the crackling of thorns under a pot, so is the laughter of the fool: this also is vanity.
In Context
5Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon’ ny hendry noho ny mihaino ny hiran’ ny adala.
7Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly mahasimba ny fo.
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 7
Cross References
Psalms 118:12Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.
Ecclesiastes 2:2Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona?
Amos 8:10Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy.
Luke 16:25Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin’ ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay atỳ, ary ianao kosa no fadiranovana.
Jude 1:12Ireo no harambato voasaron-drano eo amin’ ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin’ ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra;