Bokin'ny Mpitoriteny 8:10
Ary tamin’ izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina ka tafiditra; fa izay nanao ny marina kosa dia lasa niala tamin’ ny fitoeran’ ny masìna ka nohadinoina tao an-tanàna; zava-poana koa izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 8
Cross References
Job 21:18Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin’ ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin’ ny tafio-drivotra.
Psalms 31:12Noho ny ataon’ ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin’ ny namako aza, sady atahoran’ ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra ahy.
Proverbs 10:7Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran’ ny ratsy fanahy.
Ecclesiastes 2:16Fa samy tsy misy fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala; fa amin’ ny andro ho avy dia samy ho hadino ela izy. Indrisy! samy ho faty na ny adala na ny hendry.
Jeremiah 17:13Ry Jehovah, Fanantenan’ ny Isiraely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao, ary hosoratana amin’ ny vovoka izay miala aminao, satria izy efa nahafoy an’ i Jehovah, loharano velona.
Acts 6:13ary izy nanangana vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masìna ity sy ny lalàna;