Bokin'ny Mpitoriteny 8:12
Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’ izay matahotra an’ Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 8
Cross References
Exodus 1:20Dia nasian’ Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona.
1 Kings 2:5Ary ianao koa mahalala izay nataon’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin’ izy roa lahy komandin’ ny miaramilan’ ny Isiraely, dia tamin’ i Abnera, zanak’ i Nera, sy tamin’ i Amasa, zanak’ i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany rà toy ny amin’ ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin’ ny ady ny fehin-kibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony.
1 Kings 22:34Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan’ ny Isiraely teo anelanelan’ ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny; ka dia hoy izy tamin’ ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin’ ny ady aho, fa voa.
Job 35:15Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana?
Psalms 37:18Fantatr’ i Jehovah ny andron’ ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay.
Psalms 112:1Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an’ i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra.