Bokin'ny Mpitoriteny 9:10
Izay rehetra azon’ ny tananao atao dia ataovy amin’ ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 9
Cross References
1 Samuel 10:7Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon’ ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao.
1 Chronicles 28:20Ary hoy koa Davida tamin’ i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon’ i Jehovah.
2 Chronicles 31:20Ary toy izany no nataon’ i Hezekia eran’ i Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina eo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.
Nehemiah 2:12Ary nifoha tamin’ ny alina aho, dia izaho sy ny olom-bitsy nomba ahy; nefa tsy nisy olona nilazako izay natsindrin’ Andriamanitra ny foko hatao any Jerosalema; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay nitaingenako ihany.
Nehemiah 4:6Ary rehefa tonga ny Jiosy izay nonina teo akaikin’ ireo ka nanao taminay im-polo hoe: Na avy aiza na avy aiza ianareo, dia miverena atỳ aminay,
Nehemiah 4:17Fa izaho sy ny rahalahiko mbamin’ ny zatovoko sy ny mpiambina, izay nanaraka ahy, dia samy tsy niala akanjo, sady tsy nisy nandro akory.