Bokin'ny Mpitoriteny 9:2
Mitovy avokoa ny manjo ny olombelona rehetra; eny, zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny meloka, ny tsara fanahy sy ny madio ary ny tsy madio, ny mamono zavatra hatao fanatitra sy ny tsy mamono zavatra hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin’ ny tsara fanahy sy ny amin’ ny mpanota, ary ny amin’ ny mianiana sy ny amin’ izay tsy sahy hianiana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 9
Cross References
Genesis 24:3fa hampianianiko amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ianao, fa tsy haka vady ho an’ ny zanako avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita izay iraisako monina ianao;
Joshua 2:17Ary hoy izy roa lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin’ izany fianianana nampianianinao anay izany:
Job 9:22Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
Job 21:26Samy mandry ao amin’ ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.
Ecclesiastes 2:14Ny mason’ ny hendry dia eo an-dohany; fa ny adala kosa mandeha amin’ ny maizina; nefa hitako fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.
Ecclesiastes 6:6Eny, na dia tratra arivo taona indroa aza izy, nefa tsy nahita soa, tsy ho any amin’ ny fitoerana iray ihany va no alehan’ izy rehetra?