Bokin'ny Mpitoriteny 9:5
Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 9
Cross References
2 Samuel 14:14Fa tsy maintsy maty isika ka ho tahaka ny rano raraka amin’ ny tany, izay tsy azo raofina intsony; ary Andriamanitra tsy manala ain’ olona, fa mihevitra izay tsy hanariany ilay noroahiny.
Job 14:21Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.
Psalms 6:5Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao.
Psalms 88:13Ho fantatra ao amin’ ny maizina va ny fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao amin’ ny tany fanadinoana?
Ecclesiastes 1:11Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan’ izay handimby azy.
Ecclesiastes 7:2Tsara ny mankamin’ ny trano misy fisaonana noho ny mankamin’ ny trano misy fanasana; fa ho amin’ iny no hiafaran’ ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.